Maurice: Flic en Flac, toerana misarika mpizahatany
Tanàna ao amin’ny morontsiraka andrefan’i Maurice i Flic en Flac. Ao anatin’ny distrikan’i Rivière Noire no misy azy ary isany morontsiraka tsara indrindra ao amin’ny nosy Maurice izy. Malaza amin’ireo hotely mihaja sy ireo toerana maro manintona mpizaha-tany miavaka amin’ny an’izao tontolo izao ihany koa ny toerana.
Ny taona 2000 no nanomboka nitsangana tao Flic en Flac ireo hotely lehibe toy ny Hilton sy Sofitel izay mpandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toerana na dia maro ihany koa aza ny toeram-pisakafoana vahiny hoy ny « chinois, italiens ». Misy masoivohon’ny fizahan-tany, fivarotam-panafody, banky, trano fanasan-damba, fivarotana isan-karazany ary ny trano fandihizana ihany koa ao an-toerana.
Manana tora-pasika maherin’ny iray kilometatra sy sasany i Flic en Flac. Mafanafana mandritra ny taona ny ranomasina ao aminy ary malaza amin’ny “plongée sous-marine» noho ireo lava-bato sy sambo rava ao anaty rano misy ao aminy izy. Toerana fizahantany faharoa ao Maurice io tanàna io, aorian’ny Grand Baie any avaratry ny nosy.
