SocialTatitra

France : Zazalahy kely nisy namono, nanaovana fanadihadiana ny reniny sy ny tovolahy iray 15 taona

Zazalahy 15 taona taona iray, no nanaovana fanadihadiana noho ny « vono olona » ary notanana am-ponja rehefa avy naseho teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana avy amin’ny sampana mpanao heloka bevava tany France. Eo am-panaovana ny fanadihadiana momba ny raharaha famonoana ilay zazalahy kely iray, izay maty voatsatok’antsy, tao Chateauroux, ao France, ny sabotsy teo. Voan’ny tsatok’antsy teo amin’ny tratrany ity zazalahy ity, ka nahazo ny fony izany, izay nitarika tamin’ny fahafatesany. Ankoatra ity zazalahy tsy ampy taona ity, dia voaadina teo anatrehan’ny fitsarana ihany koa ny renin’ity zazalahy, izay voampanga ho nanao herisetra tamin’ity olona marefo ity. Talohan’ny nisian’ny famonoana, dia nidaroka ity zazany ilay renim-pianakaviana, araka ny fanazavana. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ity reniny ary tsy mahazo mivoaka ny faritra. Samy mizaka ny zom-pirenena afgana avokoa izy mianaka ireto ary monina ara-dalàna ao Indre, France izao.

Laisser un commentaire