Dépêches

Rivo-doza Hidaya : any amin’ny 630 Km Avaratra Andrefan’i Antsiranana

Nitombo hery ka lasa rivodoza ilay andro ratsy Avaratry ny lakandranon’i Mozambika. Nomena ny anarana hoe Hidaya izy tamin’ny 09 ora alina teo. Ity araka izany no rivodoza faha-10 tamin’ity vanim-potoana 2023/2024 ity. Any amin’ny manodidina ny 630 Km Avaratra Andrefan’i Antsiranana no misy ny foibeny. 65 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 90 Km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 08 Km/ora. Hanohy ny diany hiakandrefana hatrany ity rivodoza ity ato anatin’ny andro vitsivitsy manaraka ka hipaka amin’ny morontsirak’i Tanzania ny Sabotsy ho avy izao.

Laisser un commentaire