Dépêches

Antsirabe : Hahazo ivon-toeram-pikarakarana taratasy mahakasika ny fitaterana

Dépêche 28 novembre, 14h, Tsy ho sahirana intsony ny mponina ao Antsirabe raha hikarakara ireo taratasy mahakasika ny fitaterana toy ny taratasy fahazoan-dalana, ny carte grise sy ny maro hafa. Hisitraka izany toerana izany toy ny toerana rehetra efa manana azy ny ao an-toerana. Efa nanao ny fitsidihana ny toerana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Tombony lehibe ho an’ny mponina any ifotony ny fisian’izao ivon-toerana izao. Marihina fa hisitraka izany tsikelikely ihany koa ireo faritra izay mbola tsy manana.

Laisser un commentaire