Ambohimangakely: Mandray anjara amin’ny “17ème Madagascourt film festival” ny kaominina
Mivoatra hatrany ny fankalazana ny “festival de la rencontre du film court” na ny RFC izay karakaraina eto Madagasikara, izay nampitodraina ny anarana “Madagascourt Film festival” izay sady entina hanamarihana ny andiany faha 17 amin’ity taona ity. Araka ny voalaza, mihoatra ny 200 ny horonantsary fohy ho alefa mandritra ny fankalazana izany ary nandray anjara tamin’izany ny kaominina Ambohimanga kely, tamin’ny sabotsy lasa teo.
“Miompana indrindra amin’ny fanabeazana sy ny tontolo iainana ny loha-hevitra noresahana nandritra ity andiany ity. Natao izany mba hisarihana ireo ankizy amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana” hoy ireo tomponandraikitra.
“Hetsika mila fanohanana tokoa ny tahaka izao satria ny sehatry ny sarimihetsika dia anisan’ny manamarika ny mahaizy azy ny firenena iray. Anisan’ny miteraka fampandrosoana sy fivoarana izy io rehefa mipaka any amin’ny isam-batan’olona ny maha-zava-dehibe azy” hoy I Anja, mponina ao Ambohimangakely.
Tsiahivina moa fa efa nanomoka ny zoma 25 Novambra ary tsy hifarana raha tsy hatramin’ny 04 desambra ny fankalazana ny festival RFC ity. Hahaz vahana ny eto amin’ny faritra afovoan-tany sy ny faritr’I Mahajanga mandritra izany.
Manitra Ramanantsoa
