Fitombon’ny mponina: Maro ny vahaolana haroson’ny SENVH mahakasika ny trano fonenana.
Dépêche 21 mars, 12h, Noho ny fitombon’ny mponina izay tsy miakatra hatrany dia maro ireo vahaolana naroson’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana. Nandritra ny famelabelarana ny politikan’ny trano fonenana no nanambarany fa ny fanorenana tanàna vaovao no vahaolana izay hiseho amin’ny fomba samihafa izany. Tafiditra amin’izany ny fananganana trano ho an’ireo olona tsy manam-bola hananganana avy hatrany izay hohefainy tsikelikeky. Ankoatr’izay, eo koa ny trano mora ho an’ireo manofa trano 175 000 ariary, ny trano afaka hitarina » logement extensible » ho an’ireo manofa trano 8 alina mihoatra ary ny » auto-construction »na ireo izay hamoraina ny fahazoany tany ka izy no manorina tsikelikeky. Haparitaka manerana ny Nosy ihany koa izany tetik’asa rehetra izany
