Ukraine : Iza moa i Sergueï Bubka ?
Atleta avy ao Ukraine, mahay manokana ny « saut à la perche », i Sergueï Bubka. Teraka ny 4 desambra 1963 tao Louhansk izy ary efa nomen’ny filoha tao an-toerana, Leonid Koutchma ny anaram-boninahitra « Héros d’Ukraine » ny 4 febroary 2001.
Nifaninana ho an’i URSS i Sergueï Bubka hatramin’ny taona 1991. Nifindra tao Ukraine izy taorian’izany ary nifaninana ho azy hatramin’ny fotoam-pitsaharany teo amin’ny taranja ny taona 2000. Efa nikambana tao amin’ny ekipa nampiraisana tamin’ny « Jeux olympiques » tao Barcelone ihany koa ny tenany.
Sergueï Bubka no atleta voalohany nahavita nihoatra ny enina metatra ny 13 jolay 1985 tao Jean-Bouin (Paris). Nahavita nihoatra « records du monde » 35 tamin’ny tanjarany ihany koa izy teo anelanelan’ny taona 1984 sy 1994.
