Tanzanie : Olona 155 no maty vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy « el Nino »
Mahatratra 155 ireo olona maty tao anatin’ny fandalovan’ny andro ratsy, tao Tanzanie. Ity loza voajanahary ity izay mifandraika amin’ilay andro ratsy « el nino », izay nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tamin’ny firenena maro tao Europe. Ankoatra izay, maherin’ny 51.000 ireo trano ary 200.000 ireo olona voakasik’ity andro ratsy ity, izay manodidina ny 236 dia naratra ary maherin’ny 10.000 ireo trano rava vokatr’izany. Nanamarika ny fotoam-pahavaratra tao Tanzanie, ny fisian’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza voajanahary ity. Ankoatran’i Tazanie, dia firenena maro hafa, ao Afrique ihany koa no lasibatry ny rotsak’orana mahery ity. Marihina moa, fa ity tranga voajanahary « el Nino » ity dia mitondra oram-be amin’ny firenena sasany ary main-tany be any amin’ny hafa.
