Alasora: Mitohy ny tournoi du maire eo amin’ny taranja baolina lavalava
Mitohy hatrany ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Alasora. Eo amin’ny taranja baolina lavala, hisy ny lalao atao ao amin’ny kianja Est Mahazoarivo amin’ny alahady izao.
“Amin’ny alahady 28 aprily no fotoana hifanomezana amin’ny mpankafy ity taranja ity, eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo. Hanomboka amin’ny 11pra atoandro ny lalao hifandonan’ny XV Pintades sy ny XV Forces. Manaraka izay ny lalao eo amin’ny XV RCTA sy ny XV Pistes” hoy ny mpikarakara.
“Lalao anisan’ny be mpanakafy ary andrasan’ny maro ity fifaninanana ity. Hisaorana ny tomponandraikitra nanome sehatra izany indray satria anisan’ny manohana ny mpilalao sy ny mpikatroka ao anatin’ity taranja ity izany” hoy I Safidy, mpankafy rugby.
Ny kaominina Alasora moa dia anisan’ny manao ezaka amin’ny fanohanana sy ny fanomezana lanja ny fanatanjahan-tena sy ny tanora.
