ActualitésTatitra

Nigeria : Olona manodidina ny 30 no nisy naka an-keriny

Nanao tatitra ny biraon’ny governemantan’i Nigéria fa nisehoana trangana fakana an-keriny tao amin’ny garan’ny Etat d’Edo, ao atsimon’i Nigéria. Vondrona lehilahy nitam-piadiana « fusils AK-47 » no naka an-keriny olona manodidina ny 30 nandritra izany. Raha ny fanazavan’ny polisy kosa nisehoana fanafihana nitam-piadiana ihany koa tao amin’ny garan’ny Tom Ikimi any amin’ny 111km any avaratra atsinanan’ny renivohitra Benin City sy teo akaikin’ny sisin-tanin’ny État d’Anambra.

Andro atoandro no nisehoan’ieo tranga ireo ary nifanindry raha ny fanamafisana. 32 ny isan’ny nalaina ankeriny voarakitra hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Etat d’Edo, Chris Osa Nehikhare. Nisy tamin’ireo mpiandry fiaran-dalam-by kosa voatifitra nandritra ny tranga hoy izy. Porofon’ny tsy fahandriam-pahalemana misy ao Nigéria io tranga io, miatrika sedra ny fanjakana izay hiroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana febroary izao hoy i Chris Osa Nehikhare.

Laisser un commentaire