France : Voasambotra ilay lehilahy nanolana zazavavy 12 taona tao ambany tetezana
Ny volana ambony teo no niseho ity tranga ity. Zazavavy 12 taona monja no nitsoaka ny trano fonenany tao Nantes, ao Loire-Atlantique. Rehefa nirenireny teny an-dalana io zazavavy io dia nifanena tamin’ny lehilahy iray izay nanery azy nanaraka azy tao ambanin’ny tetezana Willy-Brandt. Rehefa tonga tao ambanin’ny tetezana izy ireo dia nanaparan’ilay lehilahy ny filàn-dratsiny ilay zazavavy.
Manodidina ny 5 ora maraina ny ampitson’ny tranga dia vehivavy iray avy any amin’ny alim-pandihizana New Factory no nahita ilay zazavavy niharam-boina mbola tao anaty fangirifiriana. Notantarain’ilay zazavavy azy avokoa ny nanjo azy talohan’ny nandehanan’izy ireo tany amin’ny manam-pahefana sy hopitaly.
Manoloana ny tranga dia nandray andraikitra avy hatrany ny tompon’andraikitra. « Video de surveillance » maro no nijerena, nisy ny fandehanana ifotony nataon’ny polisy ary mpanadiady 15 isa no nahetsika. Nody vetiny ny rano natsakaina ka voasambotra soa aman-tsara ilay lehilahy nanao ny herisetra ara-nofo izay 29 taona raha ny tatitra.
