ActualitésTsidika

Fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harena an-dranomasina : Ezaka lehibe no natao hanoherana izany

Araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika tao aorian’ny nanendrena ireo mpikambana vaovao ny governemanta, nampitombo ny fidinanan eny an-toerana mihintsy ny Ministry ny fiarovam-pirenana. Tao aorian’ny fitsidihana ny faritra Atsinanana, ny alarobia 25 Aogositra 2021 teo izy no tao Manakara.

Teo anatrehan’ny manam-pahefana maro sy olo-manakaja sivily sy miaramila no nanoloran’ny ministry fiarovam-pirenana ny lehiben’ny Etamazaoon’ny tafika vaovao sy ny kaomandy ny Farim-piarovana Matitanana izay hisahana ny faritra Fitovinany sy ny Atsimo Atsinanana. Manoloana ireo fitarainana maro samihafa nataon’ireo mpanjono manoloana ny fitrandrahana’antsokosoko ny harena an-dranomasina hataon ‘ireo olona sasan-tsany dia nanambara ny Ministra fa efa nisy ezaka lehibe ary mbola hisy hatrany izany indrindra eo anivon’ny Etamazaoron’ny tafika an-dranomasina mba hanafoanana tanteraka izany fitrandrahana tsy ara-dalàna izany.

«Vao haingana ny Praiministra no nampanantena fa hamatsy fitaovana ny tafika an-dranomasina mba hahafahan’ireo mpiambina ny sisin-tany miambina sy miaro ireo faritra ara-toekarena manokana. Raha misy mpanjono mahita zavatra mampiahiahy dia afaka mampandre avy hatrany ny manam-pahefana izy ireo. Izany indrindra no antony nametrahana ireo «délégué militaire» ny faritra mba hanamaro ny fifanakalozam-baovao. «raha ny fanazavan’ny Jeneraly Richard Rakotonirina.

Noho izany indrindra hoy izy, ny nanavaozana ny rafitra ny tafika. Mba hifanakaiky kokoa amin’ny mponina mba hahomby ny fidinana an-tsehatra amin’ny fanatratrarana ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire