Etats-Unis : Nahitana zava-mahadomelina tao amin’ny Maison Blanche
Nahitana vovon-javatra fotsifotsy tao amin’ny efitra fitahirizana « West wing » ny Maison Blanche ny alahady teo. Niteraka fivoahana ny toerana vonjimaika izany ary niteraka fanokafana fanadihadiana. Ny Secret service no nanatontosa io fanadihadiana io ary nambaran’izy ireo tamin’izany fa « cocaïne » io vovon-javatra fotsifotsy hita tao an-toeran io.
Marihina fa miankin-doha amin’io zava-mahadomelina io ny zanaky ny filoha ao an-toerana Hunter Biden. Tamin’ny fotoana nahita izany nefa dia niaraka ny rainy, Joe Biden tao amin’ny Camp David ny tenany. Raha ny fanazavana dia hita tao amin’ny efitra iray fitoeran’ny findain’ireo mpitsidika ny Maison Blanche ny harona plastika nisy io « cocaïne » io. Sarotra manoloana izany ny hamantarana izay nitondra izany hoy ny tompon’andraikitra manoloana ny habetsan’ny olona nifamezivzey tao amin’izany.
Tsy voalohany no nahitana zava-mahadomelina tao amin’ny Maison Blanche. Raha tsiahivina dia nifoka rongony tao amin’ny toeram-pivoahan’io trano io ilay mpihira malaza Snoop Dogg tamin’ny taona 2014.
