Australie : Namorona kaody hiadiana amin’ny fampahalalana diso amin’ny Internet.
Nivoady handray dingana maromaro hanamafisana ny fiarovana ireo mampiasa azy ny vondrona DIGI, ahitana ny Facebook, ny Google, ny Twitter, ny Microsoft, ny Tiktok ary ny Redbubble. Ao anatin’io fianihanana natao io ny fihadiana mafy amin’ny endrika fitaterana vaovao diso. Ataon’izy ireo lohalaharana ihany koa ny hisian’ny loharanom-baovao azo itokisana izay vao afaka mivoaka ny vaovao iray. Hampiatoana ary hofoanan’izy ireo ihany koa ny kaonty sandoka sy ny kaonty mampiahiahy, ao anatin’izany ny “bot” (programa solosaina mandeha ho azy) izay mandefa vaovao amin’ireo vondrona DIGI ireo. Nanamarika ny vondrona rehetra fa efa nisy ary efa nampiarina ireo fepetra ireo hatreto. Saingy mikendry ny tsara hatrany izy ireo ho an’ny mpanjifa azy, fa indrindra izay ahafahan’ny mpanjifa mahatsapa fa voaaro izy ireo. Raha ny ao Australie manokana, mihoatra ny roa ampahatelon’ny mponina no naneho ny ahiahin’izy ireo momba ny haben’ny fampahalalana sandoka misy amin’ny tambazotrantserasera any an-toerana, ny taona 2020, hoy ny ACMA ny alatsinainy 22 febroary 2021. Antony manokana nandraisan’ny governemanta any antoerana ny fanapahan-kevitra hampidirina avy hatrany ireo fepetra ireo amin’ny VPN ao Australie.
