Tatitra

Nouvelle-Zélande : « Dauphin-pilotes » am-polony maro voafandrika.

Navondrona ny alatsinainy 22 febrory ireo manampahefana any Nouvelle Zélande. Hamonjy “Dauphin-pilotes” am-polony maro voafandrika ao amin’ny morontsiraka avaratry ny nosy any an-toerana no niantsoana azy ireo. Toerana anisan’ny ahitana “Dauphin-pilotes” maro voafandrika matetika. Nohamafisin’ny departemantan’ny fiarovana (DOC) fa trozona 49 no hita ny alatsinainy maraina tao Farewell Spit, lelafasika 90 kilometatra avaratry ny tanànan’i Nelson. Matetika hita eny amin’ny toerana betsaka sambo ireto karazana trozona ireto. Antony hiantsoina azy ireo  hoe « Dauphin-pilotes ». Trozona 9 farafahakelny no maty ny folakandron’ny alatsinainy 22 febroary teo hoy ny DOC. Manodidina ny 60 ireo mponina nihezaka namerina an-dranomasina ireo mbola velona. Tsy misy fanazavana siantifika mazava momba an’io trangan-javatra io. Misy ny petrakevitra momba ny aretina, ny fisian’ireo mpihaza, ny toetr’andro tafahoatra na ny olana mifandraika amin’ny topografian’ny toerana sasany. Manome tsiny ny asan’ny olombelona kosa ny hafa.

Laisser un commentaire