Royaume-Uni : Tsy maintsy misy « borne de recharge » ho an’ny fiara elektrika ny ireo fananganana rehetra manomboka amin’ny taona 2022
Maminavina ny hametraka « borne de recharge » na famahana fiara elektrika 145 000 isan-taona ny governemanta britannique. Tanjon’izy ireo ny fanafoanana ny famarotana ny fiara mandeha amin’ny lasantsy sy ny gazoala manomboka ny taona 2023.Tsy maintsy misy io “borne” io avokoa ny fananganana rehetra manomboka amin’io taona ho avy io hoy ny praiministra britannique Boris Johnson ny 22 novambra teo. Mihatra amin’ny fananganana trano, tranom-barotra lehibe, toeram-piasana sy ireo trano havaozina rehetra io fanamboarana io raha ny fanazavany. Marihina fa efa 250 000 ny trano fonenana sy toeram-piasana navaozin’izy ireo nametrahana io « borne de recharge » io.
