Etats-Unis : Vola maro be nisidina avy tao amin’ny « fourgon » iray
Vola maro be no niraraka teo amin’ny làlam-ben’i Californie ny zoma teo. “Fourgon” mpitatitra vola iray no nisokatra ary nanary ireo vola ireo raha ny fanazavana. Nanararaotra nitsipona izay azony avokoa ireo nampiasa io làlana io tamin’izany saingy vetivety ihany dia tonga teo an-toerana nandamina ireo mpitandro ny filaminana.Nisambotra olona roa ireo mpitandro ny filaminana ireo rehefa tonga teo an-toerana noho ny fanararaotan’izy ireo nitsipona vola be loatra. Efa nahatratra dollars an-tapitrisany maro ireo vola nilatsaka ireo raha ny fanazavan’ny sergent Curtis Martin, polisy ao Californie. Nanao antso avo naka vola rehetra izy mba hamerina izany tao amin’ny biraon’ny polisy satria volan’ny banky ireo vola ireo hoy izy.
