Nanome fanampiana mitentina 7, 5 tapitrisa Dolara indray i Etats-Unis
Nanambara fanampiana ara-tsakafo, ara-pahasalamana sy eo amin’ny lafin’ny fambolena ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikanina indrindra ho an’ny faritra any atsimon’ny nosy. Vao iray volana anefa izay no lasa tamin’ilay fanampiana mitentina 40 tapitrisa dolara avy amin’izy ireo hatrany. « Ambaranay androany ny fanampiana mitentina 7,5 tapitrisa dolara enti-mamatsy sakafo ny mponina, hitsaboana ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka tratry ny tsy fahampian-tsakafo, ary hampitrakana indray ny tantsaha », hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID John Dunlop.
Nilaza kosa ny fitondrana Malagasy nanoloana izany fa Mamatsy vola ny ADRA Madagascar sy Action Contre la Faim Madagascar ny USAID hanomezana sakafo, rano fisotro sy fitsaboana ho an’ny mponina 46 000, hiantohana ny fitsaboana ny ankizy tsy ampy sakafo miisa 13 000, ary hanomezana masomboly tohana ara-pambolena hafa ho an’ny tantsaha 41 000. « Efa mihatsara ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola ho an’ny any atsimo, koa tinay raha mba samy hisitraka izany tokoa ireo vahoaka any atsimon’ny nosy izay iajadian’ny kere » hoy i Theophile, mpanara-baovao. Tsy ny vola tokoa no sakana eto amin’ny firenena raha tanisaina ireo vola efa azo, ny fahaiza-mitantana no tena zava-dehibe ary tokony tsy hanaovana sangisangy izany satria ny ain’ny firenena mihitsy no miankina aminy. Mety ho foana tokoa ve ny olan’ny any atsimo, manoloana ny famatsiam-bola sy ireo tetik’asa marobe ?
Nicole Rafalimananjara
