Sehatry ny lavanila: Mitaky ny fanalalahana ny fivarotana izany ireo mpikambana ao amin’ny Sevam
Nisy ny fivoriana izay niraisan’ireo mpisehatra manodidina ny sehatry ny lavanila rehetra tao amin’ny Carlton Anosy. Natao indrindra izany hikarohana vahaolana amin’ny olana sedrain’izy ireo tao anatin’ny fotoana naharitra. Nisongadina tamin’izany ny tokony hanomezana fahalalahana ity sehatra ity indrindra amin’ny fanondranana sy ny fivarotana izany. Amin’izao fotoana izao tokoa mantsy dia mbola 2 500taonina ny ambiny amin’ireo lavanila tsy lafo eny amin’ireo tantsaha ka tokony hikarohana lalana.
“Efa roa volana sisa dia hanomboka indray ny campagne 2023/2024 kanefa amin’izao fotoana izao dia mbola milanja 2 500taonina ny ambiny tsy lafo tamin’ny vokatra teo aloha. Vokatry ny fifampiresahana teo dia ny fangatahana ny fahazoana fahalalahana amin’ny fivarotana sy fanondranana ireto lavanila ireto noho ny tsy fahafahana mametra ny vidiny. Ny antony tena hangatahana izany aloha amin’izao dia mba hahafahana mamoaka ireo stocks mbola be dia be ao. Hahafahana ihany koa miverina eo amin’ny tontolon’ny fifaninanana ara-barotra iraisam-pirenena”, hoy ny avy ao amin’ny Sevam.
Misedra olana mafy ny sehatry ny lavanila amin’izao fotoana izao eto Madagasikara ka mahatonga ny korontana amin’ireo mpisehatra ireo. Vao ny tapabolana izay no nanatanteraka fitokonana ireo mpisehatra amin’ny lavanila ao Samabava noho ireo olana tsy mety mivaha ireo. “Tokony mitady vahaolana ny fitondram-panjakana fa io no hany fidiram-bolanay. Anisan’ny mampiakatra ny toe-karen’ny firenena ihany koa ity sehatra ity ka rariny raha ho avotana. Mila mifampihaino ny rehetra raha te handroso na amin’ny inona na amin’ny inona izany”, hoy ny solontenan’ireo tantsaha.
Efa miisa 40 ireo mpikambana ao amin’ny Sevam amin’izao fotoana izao izay samy nanaiky io fangatahana avy amin’ny Ministera io. Nanambara izy ireo fa io no hany mariamaritra niraisan’izy ireo hahafahany miala amin’izao krizy hiainan’izy ireo izao. Manantena valiny mahafa-po avy amin’ny Ministera araka izany izy ireo aorian’izany.
Miora Raharisolo
