ActualitésTsidika

Nahazo sekoly vaovao ny tao Ankibay Androy

Nahazo sekoly EPP vaovao sy trano fisakafoana ho an’ny mpinatra ary fitaovana avy amin’ny fikambanana Fitia ny tao Ankibay Androy. Etsy an-kilany manao izay ho vitany amin’ny mba hsiitrahan’ny ankizy rehetra ny fanabeazana ny fitondram-panjakana. Faly nisitraka izany trano fianarana vaovao izany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao Ankibay.

« Nisedra fijaliana mihitsy ny mpianatra indrindra rehefa vanim-potoanan’ny orana satria mbola tafo bozaka ny etto, koa mankasitraka ny amin’izao fanampiana izao izahay » hoy ireo ray aman-dreny. Nanamafy kosa ireto nanolotra ny EPP fa hiady hatrany mba hanajana ny zon’ny zaza indridnra amin’ny fanabeazana tahaka izao, mila sekoly milamina ny mpianatra mba hifantohany sy hizoran’ny fampianarana tsara. « Maro be ireo sekoly tsy zarizary misy any ambanivohitra sy tany lavitra andriana. Misy ireo tafo bozaka, ao ireo tsy misy na labatra sy seza akory fa mipetraka amin’ny tany ireo ankizy mpianatra. Rehefa fotoanan’ny orana dia mitsahatra amambolana mihitsy ny fianarana » hoy kosa ireo tompon’andraikitra any an-toerana.

Tsara tokoa ny ezaka fanatsarana ny fanabeazana tahaka izao satria ireo ankizy ireo ihany no hoavin’ny firenena rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire