SportTatitra

Italie : Tratran’i Sébastien Ogier ny tanjony

Tsy hiady ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja « Rallye » amin’ny taona ho avy intsony i Sébastien Ogier saingy fahombiazana tanteraka ny nanamarihany ny fihatoany. Nahazo ny tompondaka eran-tany tamin’io taranja io indray ny tenany ny 21 novambra teo nandritra ny fifaninana tao Monza. Marihina fa fanimbalo tamin’io fandresana ny alahady teo io izy tompondaka eran-tanin’ny Rallye na « World Rally Championship ».Mihoatran’ny nofinofiny hoy izy ny zava-niseho, nakatoa ny dingana nolalovany izy ary faly fa nametraka tantara teo amin’ny tontolon’io fanatanjahantena io. Efa nandrasana kosa ity fandresen’ity mpamory avy any France ity, efa nitarika isa 17 mantsy izy talohan’ny natongavany tao Italie.

Laisser un commentaire