Tatitra

Etats-Unis : Hampiato fiaramanidina miisa 128 ny orinasa Boeing.

Fiaramanidina Boeing 777 miisa 128 no hampiatona, taorian’ny tsy fahatomombanan’ny milina niseho tamin’ny iray tamin’ireto fiaramanidina ireto. Nanome baiko ny manampahefana amerikana misahana ny fanamoriana fiaramanidina (FAA), ny Alahady 21 febroary fa hanatanteraka fizahana vaovao amin’ireo fiaramanidina miisa 128 karazana Boeing 777 ireo. « Raha mbola mitohy ny fanadihadiana, nanolo-kevitra izahay ny hampiatoana ny fiasan’ny fiaramanidina Boeing 777miisa 69  sy ny fiaramanidina tahiry mitotaly 59 mandeha amin’ny milina Pratt & Whitney 4000-112, » hoy i Boeing tao anaty fanambarana iray nataony.

Raha tsiahivina, niainga ny asabotsy avy tany Denver (Colorado) ho any Honolulu (Hawaii) ny fiaramanidina iray ampiasain’ny kaompaniam-pitanterana United Airlines mampiasa ny Boeing 777-200.  Mpandeha miisa 231 sy mpikambana ekipa 10 no tao anatin’ity sidina United 328 ity. Tsy maintsy nitodi-doha niverina haingana io fiaramanidina io taorian’ny firehetan’ny afo tamin’ny elatra havanana. Afaka niantsona soa aman-tsara tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Denver io fiaramanidina io ary tsy nisy ny olona naratra.

Laisser un commentaire