SocialTatitra

Kenya : Manomboka ny fanaovana vaksiny fanefitry ny coronavirus.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 03 martsa ny fanaovana vaksiny fanefitry ny coronavirus ao Kenya. Nisy kosa ny fitsidihana ny ivontoerana fitahirizana izany vaksiny izany ny alakamisy 04 martsa izay notanterahan’ny ekipan’ny governemanta any an-toerana. Ny vaksiny anglisy AstraZeneca sy Oxford no nosafidian’ny ministry ny fahasalamana, Mutahi Kagwe ho hatolotra ireo mponina ao Kenya. Natolotra ireo mpiasan’ny fahasalamana ao an-toerana avy hatrany ireo vaksiny ireo. Amin’ny vidiny faran’izay mirary no hivarotana izany amin’ny mponina mba ahafahan’ny rehetra misitraka ny anjarany hoy ny minisitry ny fahasalamana any an-toerana. Hanomboka amin’ity volana martsa ity ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana jona 2022 ity fanaovam-baksiny ao Kenya ity. Amin’izany, hiezaka hanafatra levim-patra manodidina ny 11 tapitrisa hafa i Kenya ahafahan’ny mponina rehetra mahazo ny anjarany.

Laisser un commentaire