Comores : Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa momba ny fampianarana ambony i Comores sy La Réunion
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny tompon’andraikitry ny anjerimanontolo tao Comores, Dr Ibouroi Ali Toibibou sy ny talen’ny sekoly ambony momba ny zava-kanto tao La Réunion, Thierry Omar Gangate, ny faran’ny herinandro teo. Natrehin’ny sekretera jeneraly ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Emsp (Education à l’école de médecine et de santé publique) izany.
Tanjon’io fifanarahana io kosa ny fampiroborobo ny fampivoarana ny fifanakalozana mba hantsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo toeram-pianarana roa ireo. Nilaza ny tompon’andraikitra nandritra io fanaovan-tsonia io fa dingana lehibe ho an’ny roa tonta io fiaraha-miasa io. Firenena izay mitovy fanamby ary manana tantara iombonana raha ny fanamafisan’izy ireo.
