Afrique : Vitsy ny manampahaizana nikaroka momba ny Coronavirus.
Ny teratany hafa indray no mikaroka bebe kokoa mahakasika ny Coronavirus aty Afrika noho ny afrikanina. Voalaza fa ny 2/3 ny fikarohana natao taty afrika dia teratany hafa no nanao izany. Nanao fanadihadiana ireo artikla siantifika miisa hatrany amin’ny roa arivo ireo mpikaroka ao amin’ny BMJ Global Health. Lahatsoratra nosoratan’ny mpkaroka izay navoaka ny 30 septambra 2020 ka hatramin’ny voalohan’ny volana janoary teo. Hita tamin’izany fa artikla 94 monja tamin’ireo roa arivo mahery no nosoratan’ny afrikanina mahakasika ny valan’aretina izay iainana aty Afrika. Tsy mahagaga ny vokatra hita hoy izy ireo noho ny tsy fahitana loatra mpikaroka siantifika afrikanina hatrizay. Tena ilaina ny fikarohana vitan’ireo afrikanina ao aminy mba hiadiana amin’ny Coronavirus. Mba tsy ny olon-kafa intsony no hiteny hoe izao no paik’ady mahomby fa ireo mpikaroka izay miaina ao amin’iay firenena ihany. Nanentana ireo mpitondra afrikanina ihany koa ry zareo hampitombo ny vola atokana ho an’ny fikarohana.
