ActualitésTatitra

Comores : I Anissi Ibrahim no hisolo tena ny nosy ao Glasgow

Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 13 aogositra izao ao Glasgow ao Ecosse ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany « multidisciplinaires » ny bisikileta. I Anissi Ibrahim no hisolo-tena ny nosy Comores ao anatin’izany. 18 taona monja io tovolahy io, handray anjara amin’ny sokajy hazakazaka VTT an-tendrombohitra izy.

Efa manao ny fanazaran-tenany i Anissi Ibrahim amin’izao fotoana. Ao Moroni izy no manatontosa izany miaraka amin’ny mpanazatra mantiainana sy ny « technicien national », Ahmed Ali. Hiaraka amin’io tovolahy io mandritra ny fifaninanany kosa ny sekretera jeneraly ny bisikileta ao an-toerana, Salim Ahmed. Hanatrika ny kongresy faha-19 ny fivondronan’ny mpitaingina bisikileta iraisam-pirenena ity farany mandritra izany.

Laisser un commentaire