Sabotsy Namehana: Tsy nisaraka tamin’ny fankalazana ny fety ny fizarana vatomamy ho an’ny ankizy
Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, dia anisan’ny nahazo anjara ihany koa ireo ankizy tao an-toerana. Nisy ny fizarana vatomamy, arendrina, bisikoitra ary sakafo,nentina nampifaliana ny ankizy, raha ny voalaza.
« Fisaorana sy fankasitrahana no atolotra ireo rehetra nanolo-tanana sy niara-nisalahy ary nanohana tamin’ny fifanampiana ho an’ireo ankizy teto an-toerana, nandritra ny fankalazana ny fety iny. Volan’ny ankizy tokoa ny volana jona ka mendrika ny zaraina fifaliana izy ireo » hoy ireo avy amin’ny fokontany Amorondia.
« Hafaliana ho an’ny ankizy foana ny mandray fanomezana tahaka izao, rehefa fety. Hirariana anefa mba tsy ho amin’ny fotoana tahaka izao ihany vao misy ny fanohanana sy fizarana samihafa ho azy ireo fa amin’ny sehatra sy fotoana hafa ihany koa » hoy i Larah, mponina ao Sabotsy Namehana
Marihina fa tao amin’ny fokontany Amorondia, kaominina Sabotsy Namehana moa no nisy ity hetsika fizarana sy famalifaliana ankizy ity.
Manitra R.
