Egypte : Hampiroborobo ny varotra poizina maingoka
Mandalina ny ahafahana mamokatra fanafody azo avy amin’ny poizina misy amin’ny maingoka ireo mpikaroka ao Egypte. Isan’ny biby betsaka indrindra ao Egypte ny maingoka. Mahafaty ary tsy mbola nahitana fanafany ny poizin’ity karazana biby ity rehefa tafiditra amin’ny vatan’olombelona. Antony nanapahan’ireo mpikaroka sy ireo manam-pahaizana ao Egypte hevitra hanamboatra ny fanefitra na fanafody azo avy amin’io poizina ateraky ny maingoka io ihany. Manadihady ny “effets antimicrobiens” ny “immunosuppresseurs” sy ny “anticancéreux potentiels” ao amin’io poizina io ireo laboratoara any an-toerana. Manantena izy ireo fa ahita vokany amin’ny asa karoka ataon’izy ireo. Fanirian’ireto mpikaroka ireto arak’izany ny ahafahana mitsabo olona amin’ny alalan’ny fanafody novokarina tamin’ny poizina maingoka na poizina ateraky ny bibilava hoy izy ireo. Efa misy ny fivarotana poizina maingoka vovony amin’izao fotoana, saingy mbola voafetra ny ahafahana mampiasa azy. Mila miandry 20 ka hatramin’ny 30 andro anelanelan’ny fangalana ny poizina ao amin’ny vatan’ilay maingoka vao mahazo poizina tena tsara na “haute qualité”. Manodidina ny 7 500 dolara (30 tapitrisa ariary) kosa no hivarotana izany avy eo.
