SocialTatitra

Etats-Unis : Nahitana trangana « grippe aviaire » ireo omby vavy be ronono

Omby vavy fakana ronono any amin’ny toeram-piompiana iray any Texas sy Kansas no nahitana ny tsimokaretina, izay mora mifindra amin’ny aretina « grippe aviaire », araka ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny fambolena sy ny fiompiana ao Texas. Tranga tsy mbola fahita tao an-toerana ity gripa mahery vaika ity na ny « influenza aviaire hautement pathogène (IAHP) »izay teo  amin’ny omby vavy be ronono izao. Ireo departemanta sy sehatra misahana ny fambolena ao an-toerana dia miasa tsy ankijanona mba hiantohana ny fiarovana amin’ny famatsiana sakafo, manoloana izany tranga izany. i Texas dia anisan’ny iray amin’ireo firenena dimy lehibe mpamokatra ireo vokatra vita amin’ny ronono, araka ny nambaran’ny ministera misahana ny fambolena any an-toerana. Hatreto, mbola ambany ny risika mety hifindran’ity valan’aretina ity amin’ny olombelona, raha ny fanazavana hatrany.

Laisser un commentaire