ActualitésTsidika

29 Martsa 1947 : Inona no tena anton’ny tolon’ireo mahery fo tamin’ny ..47?

Tantara tsy hay vonoina, eo amin’ny tantran’i Madagasikara, ny tolom-panafahan’ny mahery fo ny 29 Martsa 1947. Isan-taona, dia misy ny fahatsiarovana sy fanamarihana io daty io, amin’ny alalan’ny fanaterana voninkazo eny amin’ny tsangam-bato fahatsiarovana, eny Ambohijatovo sy any Moramanga. Fa inona moa ireo antony lehibe nitarika ny tolom-panafahana 1947 ?  Ny faharesen’ireo mpitolona Malagasy sy ny famonoana olona maro nataon’ny firenena mpanjanaka, ny frantsay, teto Madagasikara izany no tena votoantony.

Leo sy tofoka ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny antsonjay sy ny asa fanandevozana nampiharin’ireo Frantsay mpanjanaka tamin’izany. Efa maro ireo tolona nataon’ireo maherifo Malagasy ho fitakiana ny fahaleovantena ; ary raha ny ara-tantara dia noterena ny Malagasy handray anjara tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Ity farany izay voalaza fa tena nampipoaka ny fikomiana 1947. Ny fikambanana Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM) no antoko politika fanta-daza sy nisolo tena ny malagasy teo anivon’ny Assemblée Constituante Française. Ankoatra ny MDRM dia nisy ihany koa ireo fikambanana miafina niady ho amin’ny fitakiana ny fahaleovantena. Ireto farany dia voasokajy ho mpikambana mahery fihetsika (membres extrémistes) ary nivonona ny hitaky ny fahaleovantena amin’ny hery. Nivondrona tao anatin’ny vondrona JINY izy ireo ary ingahy Monja JAONA no anisan’ny mpitarika izany. Ny faraparan’ny volana marsa 1947 no nipoaka ny fikomiana ho an’ny fanafahana an’i Madagasikara. Ny alin’ny 29 marsa io taona io no voalaza fa nisian’ny ady mahery vaika teo amin’ireo mpitolona sy ireo Frantsay mpanjanaka. Tany Manakara sy Moramanga no toerana nahery vaika nisian’ny fanoherana ny fitondrana mpanjana-tany. Tonga nanatevin-daharana ireo mpikambana tao amin’ny « Jiny » ireo tantsaha tany atsimon’i Madagasikara ka tonga 20 000 teo ho eo ny isan’ireo mpikomy. Lefona, antsy, famaky ary ody gasy no fitaovam-piadina nentin’izy ireo nanafika ny tranon’ireo « alikan’ny Frantsay » na ireo Frantsay sy Malagasy nanohana ny fitondrana mpanjana-tany. Tsara marihina fa samy nanana mpitari-tolona ireo avy amin’ny isam-paritany.

Mafy dia mafy ny famaizana nasetrin’ny mpanjanaka Frantsay ny fikomiana nitranga ny alin’ny 29 marsa 1947. Nampiasaina ny tafika an-tanety frantsay izay matanjaka indrindra handringanana ireo mpitolona. Anisan’ny famaizana nanamarika ny tolom-pahafana 1947 ny nitifirana ireo wagons telo izay nanidiana ireo mpikomy nogadraina miisa 166. Izany dia mba hialana amin’ny fanafihan’ireo namany izay mikasa ny hanavotra azy. Maro ireo olon-tsotra tsy nandray anjara tamin’ny fikomiana no maty tao anatin’ny fitifirana ireo wagons nidiana tamin’ny firaka ireo. Ireo olomboafidy tao amin’ny MDRM ihany koa dia voasambotra sy voaheloka tamin’ny tolom-pahafana 1947 na dia nanohitra ny fikomiana aza izy ireo. Voaheloka higadra mandra-pahafaty ny mpitarika sasany ary ny sasany kosa voaheloka anao asa an-terivozona am-polo-taonany. Tsy adino ireo olona natao « bombe humaine », natao tao anaty gony dia navarina an-drano sy notapahin-doha. Naharitra herintaona ny fanamaizana ireo mpitolona sy ireo olon-tsotra nanerana an’i Madagasikara nataon’ireo tafika frantsay. Raha ny tomban’ireo mpahay tantara dia eo anelanelan’ ny 11 000 sy 100 000 ny isan’ ny maty nandritra ny famaizana.

Amin’izao fotoana, maro ireo tsy mafantatra ny tantara intsony, tsy mahafantatra ny teny vontoantin’izany zava-nitranga tamin’izany kanefa anisan’ny lova napetrak’ireo mahery fo ny fahafahan’ny malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana.

Laisser un commentaire