SocialTatitra

Fanafihana tany akaikin’i Moscou : Niakatra 143 ny isan’ireo maty

Niakatra ny isan’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fanafihana niseho tany akaikin’i Moscou, ny faran’ny herinandro teo, araka ny tatitra vaovao navoakan’ireo tomponandraikitra rosianina. Ny alarobia teo, tafakatra 143 ny isan’ireo maty. Ny alarobia teo, 80 no isan’ireo naratra, izay ankizy ny 6tamin’izany ary misy ireo nahiditra hopitaly. Loharanom-baovao avy amin’ny sampana fitsaboana ihany koa no nilaza fa olona 205 no nahazo fitsaboana ivelan’ny hopitaly. Ny praiminisitra lefitra Rosiana, Tatiana Golikova, dia nilaza fa noho ny tohina nahazo ireo olona sasany tao anatin’ny fanafihana, dia nisafidy tsy ho eny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo ka anisan’ny nampiakatra izany tahan’ny fandraisana an-tanana ivelan’ny toeram-pitsaboana izany.

Laisser un commentaire