Yémen : Hanamafy ny hetsika ao amin’ny ranomasina mena mandritra ny fotoanan’ny ramadan
Nanao fanambarana ny tafika amerikana, ny alatsinainy hariva, fa nandrava « drone sous-marin » sy ny « missiles balistiques antinavires » nandritra ny fifandonanatamin’ireo mpikomy Yéménites Houthis, ireto farany izay mandrahona ny hanamafy ny hetsika ataon’izy ireo ao amin’ny faritry ny ranomasina mena, ho fanohanana ny mponina ao Gaza. Tao anatin’ny fanambarana nataon’ny kaomandin’ny tafika amerikanina ho an’i Moyen-Orient, nilaza izy fa fipoahana in-enina no nahapotika ireo drone sous-marin sy missiles balistiques antinavires miisa 18 ireo, tao amin’ny faritr’i Yémen.
