Russie : Vonona amin’ny ady nokleary, hoy i Poutine
Nanamafy ny filoha Rosiana Vladimir Poutin, nandritra ny tafa nifanaovana tao amin’ny fahitalavitra iray sy ny masoivohom-baovao Ria Novosti, izay nivoaka omaly alarobia, fa “vonona” amin’ny ady nokleary ny fireneny. « Amin’ny fomba fijery ara-tafika ara-teknika, mazava ho azy fa vonona izahay, » hoy ny nambarany, raha nanontaniana mahakasika ny fahafahan’i Rosia hitarika ady toy izany. « Misy ny fitaovam-piadiana ary afaka ampiasana izy ireo » hoy hatrany izy saingy tsy misy mahamaika na na manery ny firenena ho an’ny amin’ny ady nokleary izany. Etsy ankilany, nolavin’i Vladimir Poutin ny hevitra momba ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary ao Ukraine, izay mbola ao anatin’ ny ady amin’izao fotoana. Tsy ilaina ny fampiasana ny fitaovam-piadiana mahery vaika, hoy izy nanamafy. Ny 29 febroary no efa nisy ny fandrahonana nokleary tamin’ny firenena tandrefana, izany moa dia niteraka fanamelohana avy amin’ireo firenena lasibatra.
