ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Telo lahy maty nihotsahan’ny tany

Telo lahy no maty nihotsahan’ny tany teny Amoronakona, Bypass, ny talata teo. nanao asa famefena tamboho teny an-toerana izy ireto no izao tra-doza izao, araka ny voalaza.

« Mpiasa telo lahy izy ireo no nihotsahan’ny tany. Ny iray no hita voalohany. Nentina teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Ny roa kosa niara hita fotoana fohy taoriana ny nahitana ilay iray, saingy samy efa tsy nisy aina intsony » hoy i Solofo, nanatri-maso ny zava-nitranga teny an-toerana.

« tena ilaina ny fitandremana amin’izao fa ny tampoka tokoa tsy mahalehilahy. Tokony jeren’ny tomponandraikitra manokana ny mahakasika ireo lakan-drano sy tatatra fivarinan’ny rano amin’iny faritra iny satria toerana avo kanefa be mpampiasa sy manao terrassement, isika ihany koa mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra » hoy i Zoly, renim-pianakaviana.

Marihina moa fa samy mbola mpitovo avokoa ireo telo lahy niharan-doza ireto. Mipetraka ao Ikianja Ambohimangakely ny iray tamin’izy ireo, ny iray kosa avy ao Alatsinainy ary ny iray farany dia avy any Ambatolampy Antsirabe, izay nirahan’ny fitadiavana tao an-toerana.

Laisser un commentaire