ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Ho avy ao France ny mpanjaka Charles III ny volana septambra izao

Tokony nandalo tao France ny mpanjaka Charles III ny volana martsa teo saingy tsy tanteraka izany manoloana ny korontana momba ny fanavaozana ny fisotroan-dronono tao France. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovaon’ny Downing Street nefa dia tsy ho foana izany fitsidihana izany ary efa nisy fifampiresahana antari-by teo amin’ny mpanjaka Charles III sy ny filoha Emmanuel Macron amin’ny fanatanterahana izany.

Raha ny fanazavana dia manodidina ny 20 septambra any no higadona ao France ny mpanjaka sy ny vadiny. Hiarahan’ny sampan-draharahan’ny Élysée sy ny britanika ny fandaminana amin’izany. Fihaonana am-pirahalahiana kosa io hotanterahina io raha ny fanamafisana.

Laisser un commentaire