ActualitésTatitra

Maurice : Laharam-pahamehana ny fambolena

Tontosa ny alarobia teo ny fihaonan’ny minisitry ny fanodinan-tsakafo, Maneesh Gobin sy ny minisitry ny fiahiana ara-pahasalamana ao amin’ny nosy Maurice, Attorney General ary ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena. Notarihin’ny tale jeneralin’io andrim-panjakan’io ao Maurice, Idah Pswarayi-Riddihough izany fihaonana izany ary natao tao amin’ny foiben’ny minisiteran’ny fanodinan-tsakafo, tao Port Louis.

Tao anatin’ny fanambarana nataon’i Idah Pswarayi-Riddihough dia nanasongadina fa io fihaonana io dia nahafahana naneho an’ireo minisitra ny solontena nasionaly sy ny toe-karena vaovaon’ny nosy Maurice sy Seychelles avy amin’ny banky iraisam-pirenena izay hiasa ao Maurice mandritra ny telo ka hatramin’ny efa-taona manaraka izao.

Nanamafy ihany koa ny tenany fa sehatra fiaraha-miasa samihafa ihany koa no nodinihana nandritra izany, indrindra ny fitadiavana vahaolana ara-pambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fepetra tokony horaisin’ny banky iraisam-pirenena sy ireo ministera voakasika amin’izany.

Laisser un commentaire