ActualitésTsidika

Fahasalamana : Nihena ny tahan’ny olona voan’ny tazomoka ny taona 2022

Malagasy Salama, Malagasy Mandroso. Izany no teny filamatra nitondrana ny fiainam-pahasalaman’ny Malagasy rehetra tamin’iny taona 2022 iny. Raha ny mahakasika ny tazomoka manokana dia nihena ny tahan’ny olona marary vokatr’izany izay manodidina ny 1 000 000 eo ho eo, raha nahatratra hatramin’ny 2 400 000 izany ny taona 2021. Maro ireo ezaka izay natao nahafahana nahatratra izany vokatra lehibe izany.

« Lay misy odimoka maharitra (MID) manerana ny Distrika 101 amin’ny Faritra 21 no nozaraina;  miampy  famendrahana ranom-panafody mamono moka isan-tokantrano (CAID) tany amin’ireo distrika 5 any atsimon’i Madagasikara : Iakora, Ihosy, Ivohobe, Isandra ary Tolognaro ; ary fizarana fanafody faobe fiarovana ny vehivavy bevohoka amin’ny Tazomoka (TPI). Izany dia nahazoantsika izao vokatra mivaingana izao », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

« Mbola maro ihany koa anefa ireo olona aty amin’ny tontolo ambany vohitra indrindra tsy dia mankasitraka ny fampiasana ireny fitaovana zaraina ireny. Izany no ilaina fanampina amin’ny alalan’ny fanentanana samihafa handresena lahatra azy ireo fa tombony ho azy ireo ny fampiasana lay nozaraina ohatra », hoy ity mpampiteraka iray avy any Antanifotsy, Antsirabe.

Mbola mitohy, ary hamafisina, ny ezaka ankehitriny, indrindra ny fanarahamaso akaiky ny tranga eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fitiliana (TDR), ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana avy hatrany ireo olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina. Aretina mahafaty olona maro toy ny covid-19 ihany koa ity aretina ity ka ny tsirairay ihany no afaka samy miaro ny tenany amin’izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire