Ambohimanambola : Hiasa tsy ho ela zotra vaovao ao an-toerana
Hisy ny zotra vaovao hiasa ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, izay hampitohy ny kaominina Masindray, Ambohimanambola ary Ambohimangakely. Raha ny voalaza, efa vonona ny hiasa ity zotra vaovao ity ary hanomboka amin’ity volana ity izany.
« Araka ny fangatahanan’ny mponina sy ho an’ny fampandrosoana ny fitaterana dia hatolotra tsy ho ela ho an’ny vahoaka ny zotra E vaovao, izay hampitohy an’Ambohimanambola, Masindray, Ambohimangakely ary Mahazo » hoy ireo tompon’andraikitra misahana ny zotra.
« Efa ela ny niandrasana izao zotra vaovao izao ny mponina eto Ambohimanambola ka dia hisaorana feno ireo tompon’andraikitra fa tena zava-baovao ary hanova sy hanatsara ny fiasan’ny zotra hafa ny fisian’izao zotra hafa izao » hoy i Niry, mponina ao Ambohimanambola.
Raha tsiahivina, anisan’ny mampijaly sy mampimenomenona olona maro ny fiasan’ireo zotra mpitatitra ao amin’ny kaominina ary efa ela ireo mponina no naniry ny hampidirana zotra vaovao. Mbola eo am-pikarakarana izany zotra izany moa ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao. Miandry ny fotoana hiasan’izany kosa ny mponina, etsy ankilany ary maniry ny hisian’izany haingana.
Manitra Ramanantsoa
