SocialTatitra

Grèce : Renim-pianakaviana iray namono ny zanany telo vavy

Renim-pianakaviana 33 taona iray tao Grèce no voaheloka noho ny fanapoizina ny zanany vavy 9 taona. Nahitana « kétamine » sy « anésthésique » fampiasa amin’ny fandidiana biby io zaza io rehefa natao ny fizahana. Manoloana izany dia nisokatra ny fanadihadiana raha io reim-pianakaviana io ihany koa no namono ireo zanany vavy roa hafa, 3 taona sy enim-bolana.Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy ny herinandro lasa teo ary niteraka fihetsiketsehin’olona maro teo anoloan’ny lapan’ny fitsaran’i Athènes izany. « Mpamono olona, lazao ny marina » hoy ny antsoantson’ireo olona ireo. Maro be ihany koa ireo olona nanao fihetsiketsehina teo alohan’ny tranon’ny tao Patras ao Péloponnèse izay nisamborana azy ny alarobia teo. Raha ny fantatra dia « infanticide » na famonoana zaza an-tsitrapo no nataon’ity renim-pianakaviana ity.Manoloana ny fihetsiketsehina goavana nateraky ny raharaha dia niantso ny filaminana ho an’ny daholo be ny mpitondra tenen’ny governemantan’i Grèce, Yannis Economou. Mila matoky ny manam-pahefana ny mponina, hoy izy.

Laisser un commentaire