Seychelles : Lehilahy tokana no nahatratra 100 taona tao amin’ny nosy
Teraka ny taona 1923 i Raymond Houareau. Izy no lehilahy tokana nahatratra ny faha-100 taonany tao amin’ny nosy Seychelles raha efa 12 isa kosa ireo vehivavy. Teraka tao amin’ny nosy Félicité i Raymond Houareau mbola latsaky ny 50 ny mponina teo amin’izany nosy izany no nitoetra tao aminy izy. Nanao asa maro kosa ny tenany ary mahay zavatra maro: mpanjono, mpandrafitra, mpikirakira fiarakodia…
Fito kosa ny zaza naterak’i Raymond Houareau, 34 ny zafikeliny, 42 ny zafihafiny ary 8 ny zafindohaliny. Efa narary ny Covid-19 izy ary tratran’ny AVC telo volana lasa izao. Efa salama tsara kosa izy amin’izao fotoana ary niditra mpikamban’ireo olona 100 taona ao Seychelles. Lehilahy tokana ao anatin’izany ny tenany ary manamarina izany fa ny vehivavy tokoa no ela velona kokoa.
