SocialTatitra

Irak: “Roquettes” folo nandrava toby iray fipetrahan’ny amerikana, roa andro alohan’ny fitsidihan’ny papa François.

« Roquettes » na antsoina hoe « bombe sous-munitions » 10 farafahakeliny no nipoaka tao amina toby iray fipetrahana tafika amerikana ny marainan’ny alarobia 03 martsa. Tao atsimon’i Irak no nisehoan’ny tranga, roa andro alohan’ny fitsidihana ho ataon’ny papa François ao amin’ny firenena. Efa ho roa herinandro izao, tsy miato ny fanafihana amin’ny endriny toy izao ao Irak. Ity ho atao amin’ny zoma 05 martsa ity anefa no fitsidihana voalohany ho ataon’ny papa François ao an-toerana. Mihamafy hatrany ny fihenjanana misy eo amin’i Irak, Iran sy ny Etats-Unis amin’izao fotoana. Etsy ankilany ihany koa, mbola miady mafy amin’ny famehezana amin’ny tsy hipariahan’ny valanaretina covid-19 indray ny firenena. Anisan’ny miteraka sakana amin’ny fahatongavan’ny papa avokoa izany rehetra izany. Tafiditra tao anatin’ny trano misy ireo tafika amerikana izay misahana ny ady amin’ireo mpampihorohoro djihadiste ny ankamaroan’ireo baomba nalatsaka ireo, hoy ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fiarovana irakiana. Nambaran’izy ireo fa avy ao amin’ny tananan’i Aïn al-Assad, manodidina ny 180 kilometatra atsimon’i Bagdad no nandefasana ireo baomba ireo. Manameloka ny tafika pro-Iran ho tompon’andraikitra amin’ireo fanafihana mifanesy tao anatin’ny roa herinandro ireo ny amerikana. Efa manao ny fanadihadiana rehetra ny mpitandro ny filaminana irakiana amin’izao fotoana, hoy ny kolonely Wayne Morotto, mpitondra tenin’ny fiaraha-mitantana amerikana tamin’ny kaonty twitter any.

Laisser un commentaire