Canada : Tompon’andraikitra amin’ny fandikan-dalàna ireo mpianatra amin’ny oniversiten’i Bishop’s.
Voatondro ho mandika ny lalàna fahazoana mivezivezy amin’ny alina entina misoroka ny fipariahan’ny aretina covid-19 ao Québec ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Bishop’s, hoy ny polisy ao Sherbrooke. Ny herinandron’ny 22 febroary ka hatramin’ny 1 martsa, nitatitra endrika fandikan-dalàna miisa 97 ny polisin’i Sherbrooke raha ny nambaran’ny filohan’ny kaomity misahana ny fandriam-pahalemam-bahoaka ao amin’ny tanànan’i Sherbrooke, Danielle Berthold. Fivorivoriana tsy ara-dalàna sy tsy fanajana ny fahazoan-dalana mivezivezy amin’ny alina no vontoatin’ireo tatitra 97 ireo. 37 amin’ireo taratasy mipetraka ireo no manondro mpianatra avy ao amin’ny onviesiten’i Bishop’s. Nilaza ireo mpianatra fa fantatr’izy ireo tsara ilay lalàna mifehy ny fivezivezena amin’ny alina rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ao amin’ny TVA Nouvelles, ny talata 02 martsa izy ireo. Raha tsiahivina, mandoa honitra mitentina 1 500 dolara (6 000 000 ariary) izay tratra mandika io lalàna mifehy io ho fitsinjovana ny hafa. Raha araka ny nambaran’ny mpianatra izay, misy ireo minia manao fety amin’ny andro alina na dia efa fantatr’izy ireo aza fa voarara izany. Sarotra ny ampiharana ny sazy amina mpianatra hoy i Danielle Berthold. Manahirana ihany koa ny mifehy azy ireo. Hisy anefa ny fepetra hentitra ho raisin’izy ireo hanafohanana ny fanaovana fanahy iniana mivoaka amin’ny alina na dia efa voarara azy izany ao Sherbrooke.
