République Démocratique du Congo : Mitaky ny famerenana ny fanajana ny zon’olombelona ny fiangonana
Mangataka mafy ny famerenana ny fanajana ny zon’olombelona ireo evekan’ny fiangonana ao Congo manoloana ny fitondran’ny filoha Felix Tshisekedi, nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo ny alatsinainy 01 martsa. Mangataka ny tsy hamonoana tsy ara-drariny ireo mponina ao an-toerana intsony izy ireo. Fotoana kely talohan’ny nandraisan’i Felix Tshisekedi ny fitondrana no efa nanao antso avo mahakasika io fanajana ny zon’olombelona io ireo eveka ao Congo. Manaraka ny finoana katolika avokoa ny 40% n’ny mpino ao an-toerana. Ny hametrahana fitondrana azo antoka, mangarahara ary milamina hatramin’ny taona 2023 no tena tanjon’ireto mpitondra ny fiangonana any an-toerana ireto. Nambaran’izy ireo fa afaka manao izany tokoa i Tshisekedi raha ny vinam-pitondrany no jerena. Efa nahazo jiro maitso hampihatra ny vina-mpanjakany ity filoham-pirenena ao Congo ity hatramin’ny niandohan’ny volana febroary. Tafiditra ao anatin’izany ny ady atao amin’ny fanaovana kolikoly ao an-toerana. Eo ihany koa ny amoahana ny 2/3-n’ny mponina amin’ny fahantrana sy ny fandriana fahalemana any atsinanan’ny firenena izay lasibatry ny fanafihana ataon’ireo vondrona maro isan-karazany.
