SocialTatitra

Chine : Niakatra ny isan’ireo mpanam-bola na dia teo aza ny areti-mandringana

Mitotaly ho 992 ireo mpanam-bola (milliardaires) ao Chine (tafiditra ao anatin’izany ny ao Hong Kong) raha araka ny antontan’isa navoakan’i Hurun ny talata 02 martsa. I Chine no voakasika voalohany tamin’ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus ny faran’ny taona 2019. Izy ihany koa anefa no nahavita niady tamin’izany voalohany ary nahita lalana nivoahana tamin’ny krizy tao anatin’ny fotoana fohy. Na dia teo aza ny fihibohana nandrava ny toe-karen’ny firenena maro ny taona 2020, niakatra kosa ny salan’isan’ireo olona manam-bola tao Chine. Eo amin’ny toerana faharoa izao no misy an’i Etats-Unis izay manana mpanam-bola miisa 696. Saingy mbola ao Etats-Unis sy ao France kosa no misy ny harena lehibe indrindra. 197 miliara dolara (manodidina ny 700 000 miliara ariary) ho an’i Elon Musk, lehiben’i Tesla, izay misongona an’i Jeff Bezos (Amazon) sy i Bernard Arnault (LVMH). I Inde kosa no eo amin’ny laharana fahatelo izay manana mpanam-bola miisa 177. I Zhong Shanshan no voalaza fa manam-bola indrindra ao Chine amin’izao fotoana. Manodidina ny 85 miliara dolara (34 000 miliara ariary) ny fananany amin’izao, raha toa ka tsy tafiditra tao anatin’ny filaharan’ireo olona mpanam-bola 100 mihitsy ny tenany ny taona lasa. Tompona orinasa mpamokatra rano amin’ny tavoahangy ity nahazo ny laharana voalohany ny taona 2020 teo ity.

RépondreRépondre à tousTransférer

Laisser un commentaire