Mitondra hery sy mampazoto ny mpianatra ny famatsiana sakafo any an-tsekoly.
Andraikitry ny Office Nationale de la Nutrition na ny ONN ny miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Manana anjara toerana lehibe izy ireo eo amin’ny fanampiana ny fitondram-panjakana. Tanjona ny hisian’ny filaminana ara-tsakafo sy fanomezana izany ho ara-pahasalamana sy madio. Miditra an-tsehatra mihitsy izy ireo manoloana izany. Tsy ny any amin’ny faritra atsimo irery ihany, fa ahitana tsy fahampian-tsakafo ihany koa na ny ao amin’ny renivohitra sy ny faritra hafa aza. Tena ahitana izany ny any an-tsekoly nohon’ny fahasahiranan’ny Ray aman-dreny. Indroa na indray mandeha isan’andro ihany ny sasany no misakafo. Izany no antony ametrahana ny tetik’asa ara-tsakafo any an-tsekoly. Tsy vao izao no nisy izany fa efa nandritran’ny taona maro lasa ; kendrena indrindra amin’izany ireo ankizy any amin’ny ambaratonga voalohany eny amin’ny fanjakana. Nanatanteraka fiara-miasa hanatsarana bebe kokoa izany famatsiana ara-tsakafo izany ny ONN sy ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Miara-miasa amin’izy ireo ihany koa ny Programme Alimentaire Mondial na ny PAM, izy ireto izay misehatra eo amin’ny andraikitra ara-tsakafo manerantany. Hisy ny fanohanana ara-tsakafo any ampianarana manerana ny faritra 22 mandritra ny 7 volana. Ankoatra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, dingana iray ahafahana mandresy lahatra ny ankizy ho any an-tsekoly ity fanapiana ity. Sakana amin’izy ireo tsy hidirany any an-tsekoly mantsy ny tsy fananana sakafo.
Fanilo Rarivoarilala
