Tsy mampandroso ny firenena ny tsy fandrimpahalemana.
Iray ao anatin’ireo sakana tsy mampandroso ny firenena iray ny tsy fandriam-pahalemana, ahitana taratra ihany koa ny fahatran’ny vahoaka ao aminy. Raha hiresaka ny any Atsimo fotsiny isika izay malaza amin’izany hoe dahalo, noho iny faritra iny manan-karena omby. Tsy vitsy ireo zandary manao vivery ny ainy amin’ny fanompoana tanindrazana manejika ireny fanetriben’ny firenena ireny. Anisan’izany ilay tranga ny talata 16 febroary tany Belo sur Mer faritra Menabe izay nahalavoana Zandary iray, nandritra ny fifandonana tamin’ny andiana dahalo. Mafy ny fifandonana ary hatramin’izao aza dia mbola mara-dia ireo dahalo ireo ny zandary. Ny GHC Rakotonirina Alaina Patrick ity lavo ity izay ao amin’ny Vondom-paritry ny Zandarimaria ao Morondava. Olona roa hafa ihany koa no nalain’ny dahalo ho takalon’aina ka ny iray ihany no avotra hatreto. Nahetsikin’ny Zandarimariam-pirenena avokoa ireo hery vonjy taitra manodidina hanao hazalambo any an-toerana. Tsy fahampian’ny mpitandro filaminana ve no tena mampahazo vahana ireo dahalo ka ahafahany manao ny asa ratsiny ?
Nicole Rafalimananjara
