Social

Volamena 73,5 kg : Mampametra-panontaniana ny mikasika izay tena tompony.

Nanintona ny sain’ny maro ny raharaha volamena 73,5 kg tratra tatsy afrika atsimo ny faraparan’ny taona lasa teo. Ny marimarina kokoa, nametra-panontaniana ny amin’ny tompon’ireto zavatra sarobidy ireto sy ny atidoha mikotrika izao fanondranana izao ny vahoaka. Ankoatra izany, saika nitodika tany amin’ny mpiasa teo anivon’ny fadintseranana ny fanontaniana mahakasika ireto volamena ireto. Tsy nitsahatra manao fikarohana ihany koa anefa ny tompon’andraikitra ; efa voatazona nandritra izany ny olona maromaro. Mpiasan’ny fadintseranana ny sasany amin’ireo voarohirohy ireo. Ny talata 16 febroary lasa teo, nitondra fanazavana misimisy kokoa ny teo anivon’ ny Syndicat des Employés des douanes. Milaza izy ireo fa misy ny fanaparam-pahefana atao aminy. Tsy vitan’izany ihany fa hiharan’ny tsindry avy amin’ny mpanao politika sy avy amin’ny olona ambony izy ireo, hoy izy. Manao antso avo amin’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly izy ireo mba hanaovan’izy ireo fanadihadihana misimisy kokoa mahakasika ity raharaha ity. Milaza izy ireo fa misy ny tsy manan-tsiny voasaringotra amin’izao raharaha izao. Mbola manjavozavo moa ny tena ati-doha mikotrika izao fanondranana avo lenta izao. Miteraka adi-hevitra maro eny amin’ny mpanara-baovao ity raharaha volamena ity.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire