France : Iza moa i Kylian Mbappé, sangany amin’ny baolina kitra ?
Kylian Mbappé Lottin no anarany feno, fantatry ny maro amin’ny hoe Kylian Mbappé izy. Manana solon’anarana hoe « Prince de Bondy », Kiki. Mpilalao baolina iraisam-pirenena izy, ary teratany frantsay, teraka ny 20 décembre 1998. Mpilalao ao amin’ny ekipan’i Paris Saint Germain izy ankehitriny, eo amin’ny toeran’ny fanafihana. Izy no anisan’ny mpilalao lafo indrindra aorian’ny Neymar, 222 tapitr’isa euro no vola raisiny ao amin’io ekipa frantsay io. Voasokajy ho mpamono baolina tsara indrindra izy tamin’ny Ligue 1. Tanora indrindra teo amin’io ligue io ihany koa izy nandritra izany, alohan’i Thierry Henry. Nahazo ihany koa ny « Coupe Gambardella » tao amin’ny As Monaco, sokajy latsaky ny 19 taona, teo ihany koa ny tompon-dakan’ny Europe, latsaky ny 19 taona ihany, ny taona 2016. Mbola nitohy izany fahaiza-manaony izany tamin’ny ligue 2017-2018. Mbola tompon-daka erantany teo amin’ny toerana nisy azy ihany koa izy tamin’ny 15 jolay 2018, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny moa izany. Voasokajy ho tanora indrindra izy nandritra ireo fifaninana natrehany.
