Actualités

Mahazo vahana eny amin’ny sekoly ny Coronavirus.

Taorian’ny fihibohana izay nihatra teto amitsika ny taona lasa teo, samy mihezaka manaja ny fepetra ara-pahasalamana avokoa ny eny amin’ny sekoly. Sarobidy ny fitandroavana ny fahasalaman’ny ankizy ka samy nanaja izany ny tsirairay. Hiteraka olana vaovao indray mantsy raha toa ka haato indray ny fampianarana noho ny covid-19. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy ankilany efa namoaka indray ny datim-panadinana ho amin’ity taom-pianarana ity. Tena hita fa nananosarotra ho an’ny mpampianatra ny namerina ny fitadidin’ny ankizy nandritra izay fotoana lavalava izay. Na ny mpianatra aza tsy maintsy manenjika ireo programa vao afaka miroso amin’ny fanadinana, indrindra ny any fanadinam-panjakana. Tato anatin’ny roa volana lasa anefa, miakatra indray ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Tsy mijanona eny amin’ny fiaraha-monina ihany fa miantraika hatrany amin’ny sekoly mihitsy izany. Nahitana trangana coronavirus miisa 5 ny teny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha. Voamarina fa mpianatra ny 3 amin’izy ireo, raha toa ka mpampianatra sy mpandraharaha ny roa. Nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana aloha ny fikambanan’ny mpampiantra ho fitsinjovana ny ain’izy ireo sy ny mpianatra. Manao antso avo amin’ny minisitera tompon’andraikitra arak’izany izy ireo mba hijery vahaolana manoloana izao tranga izao. Tsara raha toa ka manatona tobim-pahasalamana ireo mpianatra manana soritr’aretina mampiahiahy mba hisorohana ny fifindrany.Ilaina hatrany ihany koa ny fanajana ireo fepetra sakana ho an’izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire