Vahaolana natolotry ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ho an’ny PARAMED.
Samy nizaka ny voka-dratsy nateraky ny valan’aretina COVID-19 avokoa na ny firenena na ny vahoaka ao aminy. Tsy hain’ny Ministera tompon’andraikitra anefa ny hijery fotsiny ireo fitarainana ataon’ny PARAMED taorian’ireny hetsika maro nataony ireny. Nihaona nivantana ny avy ao amin’ny Ministera sy ny solontenan’ny Sendikà ho amin’izay tokony hatao. Tapaka nandritra izany fa havoaka amin’ny karama volana Martsa 2021 ny “indemnité d’eloignement special” ary ihany koa hisitran’izy ireo ny “motivation” 97200 Ariary ho an’izay mbola tsy nahazo izany. Kanefa manentana hatrany ny avy ao amin’ny Ministera fa efa eo an-dalam-pamahana ny olana hafa izy ireo ka aoka anefa hotohizana hatrany ny asa aman-draharaha sahanin’ny PARAMED. Hahafa-po ny PARAMED ve izany vahaolana izany ka hanohy ny asany an-davanandro indray izy ireo ?
Nicole Rafalimananjara
